Nahazo isa telo indray ny ekipan’ny les Bleus France, omaly. Lavon’izy ireo tamin’ny isa 2 no ho 0 i Irlande, nandritra ny andro faha-5, fifanintsanana hiatrehana ny Euro 2024, ho an’ny vondrona “B”. Baolina tafiditr’i Tchouameni sy Thuram no nitondra ny fandresena ho an’ny frantsay.
Raveloson Samuel, Malagasy mpilalao baolina kitra, lasa nilalao any Seychelles. Nanainga ny alakamisy lasa teo, hamonjy ny ekipan’ny Bel’Air Fc Seychelles ity mpilalao ity, tsiahivina fa tao amin’ny ekipan’ny Fosa Junior no tena nahalalana azy. Tao amin’ny Cosfa miaramila izy no nilalao, farany teo.
Notanterahina nanomboka omaly, tany La Réunion ny fifaninanana “Inter Iles” taranja Rugby. Hifanandrina amin’izany ny XV Makis de Madagascar sy ny ekipa nasionalin’i La Réunion, ao amin’ny kianja Julius Bérnard Saint Paul. Marihina fa natao ho fanomezan-danja ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany, atao any France ity fihaonana ity.
Hotontosaina manomboka anio hatramin’ny 17 septambra ho avy izao, any Mahajanga ny fifaninanana nasionaly taranja Basikety U20, lehilahy. Marihina fa hisy amin’io fotoana io ihany koa ny fifanintsanana ho an’ny N1B vehivavy. Araka ny fanazavana voaray, ao amin’ny Gymnase Ampisikinana no hanaovana izany.




