TARATRY ny KANTO

« Lecture en rire ». Anjaran’ny eny amin’ny boriborintany fahatelo, Antaninandro, indray no handray ny hetsika “Lecture en rire”, rahampitso. Hetsika karakarain’ny CUA, amin’ny alalan’ny DACVC, sy ny fikambanana mpanao hatsikana sahala amin’ny Be Tige sy Gasy Stand Uppers. Fanentanana ny olona, indrindra ny ankizy sy tanora, no tanjona amin’ny hetsika toa izao.

“Tetikasa Dihy”. Tontosaina eny amin’ny Maison Sociale des Arts d’Antananarivo, Ambatovi­naky, ny hetsika ahitana dihy sy fampiofanana haha kanto kokoa ny sehatra sy ny hetsika ara-javakanto iray. Fiaraha-miasan’ny Tetikasa « Dihy » sy ny Maison Sociale des Arts d’Antananarivo no ahatanterahana izao hetsika sy fampiofanana izao.

« Age of Empires”. Tanterahina eny amin’ny IFM Analakely, rahampitso tolakandro, ny fifaninanana lalao “Age of Empires”. Hetsika karakarain’ny IFM, amin’ny alalan’ny Mediathéques, sy ny mpankafy ity kilalao ity. Mi­sokatra ho an’ny rehetra, ary maimaimpoana ny hetsika.

“Rhapsodie Picturale”. Misokatra anio hatramin’ny 27 septambra 2023, ny fampirantiana “Rhapsodie Picturale”, an’i Jean Nirina Razafindralambo, eny amin’ ny Galerie Mozaik Antsahabe. Rantin-tsary maroloko, maneho ny fifandraisan’ny natiora sy ny sivilizasionina no hita eny an-toerana. Maimaimpoana ary misokatra ho an’ny rehetra ny fampirantiana.

Partager sur: