Tanterahina any amin’ny faritra Atsimo Atsinanana ny famatsiana fanafody amin’ny alalan’ny drone, izay teknolojia vaovao ampiasaina eto Madagasikara. Fanampin’izay, hisahana ny fanapariahana ny fanafody entina handrindrana ny fiterahana ihany koa ny drone, araka ny fiaraha-miasa amin’ny tetikasa «Pivot» sy ny UNFPA.
Hotanterahina ny 15 ka hatramin’ny 17 septambra izao ny «Foire Analamanga» andiany voalohany, izay karakarain’ny faritra Analamanga etsy amin’ny Kianjan’i Barea. Fotoana hamantarana ireo vokatry ny tantsaha amin’ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono io telo andro io.
Betsaka ny olona nitaraina fa niakatra be ny vidim-panafody eny amin’ny farmasia tato ho ato. Tsy anavahana fa nahitana fiakarany avokoa ny karazam-panafody, indrindra ireo be mpampiasaa toy ny fanafody hitsaboana ny tosidra avo sy ny aretin’ny fo. Eo koa ny fanafody hitsaboana ny aretin’ny taovam-pisefoana izay mamely amin’izao fotoana.
Hikorontana ny fifamoivoizana sy ny asa an-dranomasina any amin’ny morontsiraka atsimo andrefan’ny Nosy, noho ny hamafin’ny Tsioka atsimo. Manan-kery rahampitso tontolo andro ny filazana avy amin’ny foibe famantarana ny toetry ny andro. Tombanana ho 50 hatramin’ny 60 km isan’ora ny hamafin’ny rivotra amin’
izany.