Taorian’ny lalaon’ny Nosy 2023, hisy ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja taekwondo amin’ny « Kyrougi », izay hatao any Côte d’Ivoire, ny 11-12 novembre ho avy izao. Aorian’io, hisy ny fifidianana izay ho filohan’
ny Federasiona malagasin’ity taranja ity, ny taona 2024.
Nanomboka ny zoma 8 septambra lasa teo ny Mondial Rugby 2023, izay atao any Frantsa. Ny ekipam-pirenen’i Irlande no hita misongadina tanteraka nandritra ny andro voalohany. Nandresy an’i Roumanie, tamin’ny isa mavesatra 82 no ho 8 izy ireo. Ny sabotsy ho avy izao, hifanandrina amin’i Afrika Atsimo, tompondaka faran’ny fifaninanana i Irlande.
Nifarana ny alahady lasa teo ny fifaninanana US Open, taranja tenisy. Nandrombaka ny « Grand Chelem” in-24 indray i Novak Djokovic, tany New York rehefa nandavo an’i Medvedev, tamin’ny seta 3 no ho 0 (6,3/7,6/6,3). Araka izany, mipetraka eo amin’ny laharana voalohany maneran-tany amin’ity taranja ity i Djokovic amin’izao fotoana izao.
Nivoaka ny alahady lasa teo, ny fandaharam-potoanan’ny Makis à 7 hanao ny fifanintsanana hiatrehana ny lalao Olympika 2024. Araka ny tazana, ny ekipam-pirenen’i Tunisie no hifanandrina amintsika voalohany. Aorian’io, i Côte d’Ivoire indray no hihaona amin’ny Malagasy raha toa ka ny fihaonantsika amin’i Afrika Atsimo no hamarana azy.