Fanajariana ny lakandrano C3 : miisa 559 ny tsatoka napetraka eny Anoibe- Namontana

Mitohy ny fanatanterahana ny asa ao anatin’ny Fadaha­ranasa fanajariana sy fanatsarana ny lemak’Antananarivo (Produir), vatsian’ny Banky iraisam- pirenena ara-bola. Voakasik’izany ny fanajariana, ny fanadiovana, ny fanatsarana ny tontolo manodidina ny reniranon’Ikopa sy Sisaony. Anisan’ny asa hatao ny hanadiovana ny lakandrano C3, miainga eny Anosibe hatrany Ambodimita. Nampahafan­ta­rina sady nentanina ny mponina voakasika, ny herinandro lasa teo. Omaly, napetraka ny tsatoka, miisa 559, mamaritra ny faritry ny asa hatao, manamorona ny lakandrano C3, voakasiky ny tetikasa “Pro­duir”. Manomboka eny Anosi­be hatreny Namontana.
Mahatratra 2 000 m2 ny rindrina voaloko mamaritra ny fetra voakasiky ny tetikasa. Eo koa ny takelaka vita amin’ny « béton » ahitana soratra hoe « Faritry ny tetikasa Produir, tsy azo anorenana », miisa 22. Tanjona ny hanamafisana ny fampitandremana sy ny fampilazana ny mpiara-monina.

Fotaka 115 000 m3 hoesorina
Tsiahivina fa imasoan’ny fandaharanasa “Produir” ny hanajariana ny lemaka sy ny lakandrano ary ny renirano eny amin’ny tapany andrefan’Antananarivo Renivohitra. Voakasik’izany ny fanajariana sy ny fanadiovana ny lakandrano C3 sy ny reniranon’Iko­pa sy Sisaony. Anisan’ny asa goavana hatao ny hanadiovana ny lakandrano C3. Maha­tratra 115 000m3 ny hadirin’ny fotaka hoesorina any amin’ny lakandrano C3 miainga any Anosibe hatrany Ambodimita.
Ankoatra ireo, maro ny fotodrafitrasa hataon’ny “Pro­duir”. Toy ny fananganana tanàna vaovao eny Andava­mam­ba, ny lalankely, ny tetezana, ny fotodrafitrasa sosialy, toy ny toeram-pidiovana, fidiovana, fivoahana, fanasan-damba, sns.

Njaka A.

Partager sur: