Fadintseranana aty Afrika ESA: handray fanapahan-kevitra hoentina any amin’ny OMD

Mandray ny fivorian’ny sampana iray ao amin’ny Fiombonambe iraisam-pirenena ny fadintseranana (OMD), aty Atsinanana sy Atsimon’i Afrika ary ny ranomasimbe Indianina (ESA) i Madagasikara, omaly hatramin’ny 25 novambra 2022 eto Antananarivo. Voalohany izao Madagasikara mandray izany fivoriana iraisam-pirenena izany.

Mpikambana ao amin’ny OMD i Madagasikara hatramin’izay , manana rantsan-mangaika telo aty Afrika : tapany Avaratra, Andrefana, ary Atsinanana sy Atsimo (ESA) misy an’i Madagasikara. Anisan’ny ezaka hoentina ny manatanteraka ny andraikitry ny fadintseranana sy fampahafantarana ny fadintseranana malagasy, sy ny fomba fiasa eto an-toerana. Manatrika ity fivoriana ity, misy solontena avy any amin’ny Fiombonambe, voasolo tena ao avokoa ireo firenena 24 ao amin’ny ESA

Satria miainga avy amin’ny rantsan-mangaika any amin’ny faritra isanisa ny fanapahan-kevitra raisin’ny OMD, koa votoatin’ny fivoriana hamoahana sy handinihana ny hoentin’ny ESA any amin’ny fivoriambe iraisan’ny fadintseranana maneran-tany amin’ny volana jona 2023 any Bruxelles. Misy lohahevitra maromaro hodinihana, momba ny vola, fomba fitantanana, ny tokony hanampiana ireo firenena 24”, hoy ny tale jeneralin’ny ladoany malagasy, Lainkana Zafivanona Ernest.

Tombony ho an’i Madagasikara manokana ny hahafahana miakatra ambony kokoa eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Ohatra isika tratry ny tsy fahafahana mampiasa teny firy. Amin’ireo tany 24 mpikambana ao ESA, roa ihany no mampiasa teny frantsay, nefa tsy atao sakana izany”, hoy ihany izy.

Indroa isan-taona no mivory io sampana io ahafahana manao tombanezaka ny zava-bitan’ny ladoany sy manohana ny ezaka vitan’ny firenena tsirairay. “Mety amintsika ny maha mpikambana ao amin’io ESA io ahazoana manatsara hatrany kalitaon’ny fifanakalozana ara-barotra”, hoy hatrany ny tale jeneralin’ny fadintseranana. Mizara traikefa amin’izay ezaka efa vita sy mifanakalo amin’ireo firenen-kafa.

Ny tapany voalohany tanterihana amin’izao fivoriana izao, fa mbola hisy amin’ny volana mey 2023, koa ny tale jeneraly rehetra ho avy eto. Ny fikasana amin’izany dia hasaina ho avy eto ny Sekretera jeneralin’ny OMD amin’io fotoana io.

 

Ndrina

Partager sur: