SOMBIM-BAOVAO

Niditra tamin’ny ampahefa-dalana ny fifaninanana ITF taranja tenisy, omaly. Nihintsana avokoa ireo solontenan’i Madagasikara tamin’ny sokajy « simple homme » raha toa ka i Ravaka Noemie Ramanant­oanina ihany no sisa tafita amin’ny manasa-dalana, amin’ity fifaninanana ity.

Notontosaina omaly, tao amin’ny kianjan’i Barikadimy Toamasina, ny andro voalohan’ny « Poule des AS », D2 Nasionaly, taranja baolina kitra. Nisaraka ady sahala avokoa ny lalao roa. Rava, 3 no ho 3 ny an’ny FC Inate Vakinankaratra sy ny KFCA Diana ary 2 no ho 2 ny an’ny FC JM Androy sy ny 3FB Alaotra Mangoro.

Notanterahina nanomboka omaly, ny andro faharoan’ny fiadiana ny tompondakan’i Eoropa « Ligue des Champions 2023 », taranja baolina kitra. Nahazo fandresena fanindroany ny ekipan’ny Real Madrid, Espagne rehefa nandavo ny Napoli Italie, tao amin’ny kianjany, omaly.

Hiakatra kianja, anio, indray ny ekipan’ny All Blacks Nouvelle Zélande. Ny ekipan’i Uruguay no hihaona amin’izy ireo any France amin’ity fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany taranja Rugby ity. Marihina fa ny ekipan’i Nouvelle Zélande, nahita fandresena roa sy faharesena tokana tamin’ireo lalao telo efa vitany.

Partager sur: