Saika matin’ny fitsaram-bahoaka: jiolahy nanafika fianakaviana avy namadi-drazana

Naiditra am-ponja vonji­maika eny Antanimora, afakomaly, ilay jiolahy saika matin’ny fitsaram-bahoaka teny Fe­noarivo. Ny alahady 1 oktobra 2023 lasa teo, niharan’ny fa­nafihan-jiolahy ny fianakaviana iray avy nanao famadihan-drazana teny Fidasiana Antsa­hadinta Androhibe. Jiolahy efatra no tompon’antoka tamin’ny fanafihana. Ireo vola (aterokalao) azo tamin’ny tsodrano no saika halain’ireo olon-dratsy tamin’io fotoana io. Tsy tanteraka anefa ny fikasan-dratsin’ireo jiolahy satria nisy olona afaka niantso zandary tamin’io fotoana io. Fotoana fohy taorian’izay, tonga ny zandary notarihin’ny kaomandin’ny tobim-paritry ny zandarimaria (CB) ao Fe­noarivo. Nanampy tosika koa ny zandary avy ao Anta­nety II Vontovorona sy ny avy ao Ampahitrosy. Tafapori­tsa­ka ireo malaso tamin’ny fotoana nahatongavan’ny zandary. Nanao fanarahan-dia nanenjika ireo jiolahy ny zandary nampian’ny fokonolona. Tsy lasa lavitra anefa, azo sambo-belona ny iray tamin’ireo olon-dra­tsy ka niharan’ny fitsaram-bahoaka avy hatrany. Samy nitsaingoka nanala ny hatezerany taminy avokoa ny fokonolona. Naratra mafy izy saingy voasoroky ny zandary ihany izany fitsaram-bahoaka izany. Nahitana tsipoapoaka fampiasany rehefa manao ny asa ra­tsiny tany aminy nandritra ny fisavana nataon’ny zandary. Nilaza izy fa entiny hampitahorana ireo olona hanaovana ny asa ratsy ireto tsipoapoaka ireto. Natolotra ny fampanoavana izy taorian’izay ka niafara tamin’ny fampidirana am-ponja.

J.C

Partager sur: