Nanatanteraka fanazarantena teny Mahamasina ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar, ny alarobia 4 oktobra lasa teo. Marihina fa ny 9 hatramin’ny 17 oktobra ho avy izao izy ireo, hiatrika ny lalao iraisam-pirenena izay tafiditra anatin’ny “fenêtre FIFA”. Ny ekipam-pirenen’i Mauritanie sy i Bénin no hifanandrina amin’izy ireo amin’izany.
Niakatra kianja omaly nandritra ny fifaninanana Eoropeanina “Europa League”, i Loïc Lapoussin, Malagasy milalao ao amin’ny USG Belgique. Ny ekipa anglisy, Liverpool no nifanandrina tamin’izy ireo tamin’io fotoana io. Tsiahivina fa i Lapoussin, anisan’ireo hanantevina ny Barea amin’ilay lalao ara-pirahalahiana izay atao any Marôc, ny 9 – 17 oktobra ho avy izao.
Nifarana omaly ny andro faharoan’ny fiadiana ny tompondakan’i Eoropa. Anisan’ireo lalao tena be mpanaraka ny fihaonan’i Paris Saint Germain FC, klioba Frantsay, sy ny Newcastle FC klioba, Anglisy. Nivoaka mpandresy tamin’ny isa mavesatra, 4 no ho 1 ny Anglisy. Marihina fa ity no faharesena faharoa azon’ny PSG tamin’ity taom-pilalaovana ity.
Hotanterahina anio, any France ny andro farany ny fifanintsanana isam-bondrona ho an’ny sokajy “A” amin’ity Mondial Rugby 2023 ity. Hiakatra kianja indray ny ekipam-pirenena Frantsay XV France. Italie no hifanandrina amin’izy ireo, tsiahivina fa tamin’ireo lalao telo nataon’i France, tsy mbola lavo mihitsy ity mpampiatrano ny Mondial ity.