TARATRY ny KANTO

“Fihaonana araka ny literatiora ». Tanterahina ny takarivan’ny sabotsy 7 oktobra 2023, eny amin’ny La Galerie Mozaik Antsahabe, ny fihaonana araka literatiora, iarahana amin’i Michèle Rakotoson, mpanoratra. Ny mahakasika ny boky “Ambatomanga, le silence et la douleur” no resahina amin’izany. Mpisehatra eo anivon’ny haikanto sy literatiora maro samihafa no hiaraka amin’ity mpanoratra ity amin’izany.

“Artaroary”. Tontosa omaly, teny amin’ny La Teinturerie Ampasanimalo, ny valandresaka narahina ady hevitra teo amin’i Vony Ranala, mpahay kanto, sy i Anja Andriantsiresy, avy amin’ny Ferme d’Ambo­himanga. Tafiditra ao anatin’ny hetsika “Art et Biodiversité” izy ity. Tanjona ny hanentana ny olona hiaro ny tontolo iainana amin’ny alalan’ny haikanto.

Festival des livres “Thrillers”. Tanterahina eny amin’ny Aft Andavamamba, ny 21 hatramin’ny 31 oktobra 2023, ny “festival des livres Thrillers”. Fampirantiana, atrikasa, tafa amin’ireo mpanoratra, lalao sy fifaninanana ary fifampizarana maro samihafa no hameno ny fandaharam-potoanan’ny hetsika.

Mozika Rock. Hahazo tombony manokana ireo mpankafy ny mozika Rock, ny sabotsy 7 oktobra 2023. Etsy ankilany, ny fampisehoana iarahana amin’i tarika Tselatra, ao amin’ny PK O Antanimena. Etsy andaniny, ny seho iarahana amin’ny tarika MEGA (Metaly Gadona), ao amin’ny Le Zoma Faravohitra.

Partager sur: