Fambolena: hanome 20,20 tapitrisa dolara ny BAD

Faritra 20 amin’izao no heverin’ny minisiteran’ny Fambolena sy fiompiana hampiana ny tantsaha amin’ny masomboly sy zezika. Izany no atao dia noho ny sondro-bidy amin’ireo akora fototra ireo. Ao anatin’ny fikarakarana ny minisitera amin’izao fotoana izao amin’ny fanangonana masomboly sy zezika. Tantsaha 2000 no hampiana, izay misy sokajiny avy ireo, koa arakaraka izay ny hitondrana fanampiana. Ao ireo tratran’ny rivodoza sy haintany, misy ireo sahirana fa mba misy hoentina kely ihany. Miankina amin’ny faritra ihany koa ny fanampiana sy ny toe-tany any aminy.
Kasaina tsy hiala amin’ny fambolena ireo olona ireo, indrindra amin’ny famokaram-bary, katsaka, mangahazo, voanjo, sns. Tanjona ny hampitomboana ireo vokatra ireo sy hanana kalitao tsara. Manangasanga izao ny tsy fahampian-tsakafo any amin’ ny faritra maro, ary vao mainka manamafy izany ny tsy faham­pian’ny masomboly sy zezika natoraly.
Mitombo ihany ny vidin’ ireo akora ireo ka mila handraisana fepetra maika, araka ny toromarika avy any amin’ ny Banky iraisam-pirenena. Manan-tombo avo telo heny izany raha eto Madagasikara raha ampitahana tany amin’ny roa taona lasa. Ankoatra ny tena vidiny, ny saram-pitaterana ihany koa, izay saro-dalana any ambanivohitra, faritra maro. Ny zezika nohafarana fotsiny, ohatra, efa tafakatra 250 000 Ar ny kitapo raha 100 000 Ar izany teo aloha.
Na izany aza, nahazo fa­nampiana 20,20 tapitrisa do­lara avy amin’ny Banky afrikanina momba ny fampandrosoana (Bad) i Madagasikara ho an’ny fambolena, hisorohana ny tsy fahampian-tsakafo. 78 % amin’izany saika fanomezana amin’ny ankapobeny. Nanka­toavin’ny Filankevi-pitantanan’ny Bad izany fanampiana izany, ny 15 jolay 2022 tany Abidjan. Efa voaray ve io vola io sa mbola tsy azo ?

Ndrina

Partager sur: