Nahafahan’ny tanora 24, avy amin’ny lalam-piofanana samihafa, niaraka namolavola tetikasa manampy ny mpiara-belona ny “Orange Summer challenge 2023” amin’ny alalan’ny “Artificial intelligence of things”.
657 ireo tanora nisoratra anarana hifaninana amin’ny tetikasa “Orange Summer Challenge 2023”, telo volana lasa. 24 ireo naharesy lahatra ny mpitsara ka navondrona amin’ny ekipa efatra. Niofana teny anivon’ny Fab Lab Ankatso izy ireo ary namolavola tetikasa niraisan’ny ekipa tsirairay. Tanora manana ny traikefany sy ny fahaizana amin’ny sehatra samihafa ny ekipa iray fa natambatry ny «Artificial intelligence of things» miaraka amin’ny Orange. Nisy orinasa nanohana ny ekipa efatra nandritra ny fiofanany sy ny mamolavola ny tetikasany.
Azon’ny ekipa tompon’ny tetikasa BrAI ny laharana voalohany ahafahan’ny olona manana olana ara-pahitana mianatra sy miditra amin’ny sehatry ny asa ary mikirakira ny teknolojia vaovao koa. Fitaovana be mpampiasa rahateo ny smartphone, azo ampiasana ny « application » mamadika ny antontan-kevitra ho lasa « braille » hanamora ny fandraisan’ny olona manana olana amin’ny fahitana mikirakira azy, hoy ny mpitondra tenin’ny ekipa, Pierre Dominickäel, manampahazaina amin’ny informatique industrielle sy électronique. Taorian’ny nahazoan’izy ireo ny loka lehibe, hanatsarana ny fitaovana izy enina mianadahy ary mbola manohana hatrany ny Orange.
Andiany faharoa ity fifaninanana ity ka natolotra ny faran’ny herinandro teo, teny Ankorondrano, ny tetikasa naharesy lahatra ny mpitsara rehetra.
Tetikasa telo hafa nifaninana ny TanyLab, ahitana robot mifandray amin’ny milina ary manadihady ny toetry ny tany sy ny voly mifanaraka aminy. Teo koa ny Volyvolt manome angovo avy amin’ny zavamaniry ary ny InstaDox ahazoana antontan-kevitra niomerika avy amin’ny teknolojia vaovao.
Vonjy A.




