Fikambanana Psy-kôzy : hametraka ivontoerana fanarenana ara-tsaina sy ara-tsosialy

Marihina mandritra ity volana ity ny fahasalaman’ny saina. Nitondra ny valin’ny fanadihadiana natao teny anivon’ny hopitaly telo mandray an-tanana ireo olona manana olana ara-tsaina ny fikambanana Psy-kôzy Madagascar, omaly, teny Ambohidahy.

17,6% no manaraka fitsaboana noho ny fiankinandoha amin’ ny zava-mahadomelina samihafa, 12% kosa noho ny fisotroana toaka, 11% avy amin’ ny fandraisana héroïne sy cannabis, 4,4% tratran’ny fahakivian-tsaina tanteraka. Antontan’isa ny volana avrily taona 2022 ireo. Hopitaly teto Antananarivo no nanatanterahana ny fanadihadiana. 22 monja ny isan’ny psychiatre (mpitsabo saina) misahana ny Malagasy manerana ny Nosy ary 11 ny toeram-pandraisana ireo olona manana olana ka eto Antananarivo ny enina amin’ireo. “Tsy ampy ny fandraisana an-tanana ny olona tratran’ny fikorontanana ara-tsaina sady tsy manana ny kalitao takina ny tolotra misy eto amintsika”, hoy ny mpiandraikitra ny tetikasa fanofanana sy fanentanana ao amin’ny Psy-kôzy, Mamison Miantsa Cathia. Niorina ny taona 2021 ny fikambanana, hanatsara ny tontolon’ny fahasalaman-tsaina eto Madagasikara, izay zary atao ambanin-javatra satria kely ny sorabola natokana ho an’io sampam-pitsaboana io. Manam-pahaizana mo­mba ny fahasalaman’ny saina (psychiatre, psychologue clinicien, mpiasa misehatra amin’ ny fahasalaman’ny saina…) no nivondrona nanangana ny fikambanana. Tanjona ny ha­metrahana ivontoerana fa­narenana ara-tsaina sy ara-tsosialy sady misahana ny fitsaboana ary ny tohana samihafa, ahafahan’ilay olona miverina eny amin’ny ankohonany sy ny fiarahamonina. Lalana ahatongavana amin’ny fametrahana ivontoerana ny fikarakarana atrikasa enina ny volana novambra, ho fampidirana ny fiarahamonina amin’ ny fahasalaman’ny saina.

Vonjy

Partager sur: