Masoivoho japonais: nanome fiara mpitondra marary

Nanolotra fiara fitondrana marary ho an’ny kaominina ambonivohitra Toamasina ny fanjakana japonais, ny faran’ny herinandro teo. Manana CSB II enina ny kaominina fa tsy misy ny fiara hitaterana marary amin’ireo toeram-pitsaboana ireo ka nanome vahaolana ny Japonais. Efa manana ny fitaovana ahafahana mamonjy aina ao anatin’ny fiara mialoha ny hahatongavan’ ny marary eny amin’ny CSB II ity natolotra ity. Nafarana avy any Japon ireo fiara ireo ary nohamarinina fa mandeha tsara avokoa ny kojakoja ao aminy.
Nomen’ny masoivoho japonais kamiao mpamonjy voina koa ny faritra Vakinankaratra, ny herinandro lasa teo. Tan­jon’ny faritra ny hametraka foibe mpamonjy voina ka ilaina ny kamiao ahafahana manao ny asa. Fiara efa nampiasaina tany Japon ireo natolotra tany Toamasina sy Vakinankaratra ireo fa namboarina mba ho azo kirakiraina indray eto amintsika.
Tonga nanolotra ireo fitaovana ireo ho an’ny faritra roa ny masoivohon’i Japon eto amintsika, Abe Koji. Tafiditra amin’ny tetikasa fanohanana ny eny ifotony ho fiahiana ny maha olona ny fanolorana fitaovana.

Vonjy

Partager sur: