BORIBORITANY VI : fitsaboana maimaimpoana ho an’ny vahoaka

Mitohy ny hetsika Faha­salamana manakaiky vahoaka, ataon’ny kaominina Anta­nanarivo Renivohitra, amin’ny alalan’ny sampandraharahan’ ny fahasalamana sy ny sosialy. Anjaran’ny boriborintany fahaenina indray no hisitraka izany manomboka anio hatramin’ny alakamisy, eny amin’ny fokontany Ampandriambahi­bavy (pompe maty).
Marolafy ny karazana tolotra eo amin’ny fahasalamana ho an’ny mponina. Ankoatra ny fizaham-pahasalamana tsotra dia misy koa ny fitiliana isan-karazany. Anisan’izany ny ny diabeta sy ny tosidra izay iankinan’ny fahasalaman’ny taova maro. Hatao ny alarobia sy alakamisy ny fitiliana diabeta ary hizarana fanafody mifanaraka amin’izany ireo nahavita fitiliana.
Hahazo tombony manokana ihany koa ireo zaza amin’ ny fanaraha-maso ny lanjany sy ny fahasalamany. Hisy torohevitra momba ny sakafo ara-pahasalamana sy mampitombo ny zaza koa mandritra izany.
Mifanindran-dalana amin’ ireo ny fanaovam-baksiny maimaimpoana, toy ny fiarovana amin’ny lefakozatra, izay misokatra ho an’ny sokajin-taona rehetra. Eo koa ny vaksiny miaro amin’ny covid-19 ho an’ny olon-dehibe ary ny vaksiny rehetra ho an’ny zaza.
Ankoatra izany ny fizahana maso iarahana amin’ny Lion’s Sight First sy ny fivarotana solomaso amin’ny sarany mirary.

Tatiana A

Partager sur: