Hiantsehatra eo amin’ny sehatry ny fampianarana eto Madagasikara, ireo mpampianatra teny anglisy mianadahy misitraka ny vatsim-pianarana “Fullbright”, antsoina koa hoe ETA.
Manaraka fiofanana maharitra efatra andro ao amin’ny masoivoho amerikanina ireto ETA vao tonga ireto mialohan’ny hanombohany ny fampianarana teny anglisy eny anivon’ireo sekoly ambaratonga fototra sy lisea eto Antananarivo sy Mahajanga.
Hampianatra teny anglisy sy hanampy ireo mpianatra Malagasy hanitatra ny fahalalany momba an’i Etazonia ihany koa izy mianadahy. Hifanindran-dalana amin’izany ny fianarany teny malagasy. Noraisin’ny masoivoho amerikanina, Claire Pierangelo, izy ireo ny alatsinainy teo.
Marihina fa ny programa Fulbright ETA dia miompana
amin’ny fandefasana mpianatra amerikanina vao nahavita fianarana na vao miditra eo amin’ny sehatry ny asa hampianatra teny anglisy amina sekoly sy oniversite maneran-tany mandritra ny sivy volana.
Hiara-hiasa amina mpampianatra sy mpianatra teny anglisy eny anivon’ny sekoly sy oniversite miankina sy tsy miankina, English Club, ary American Corners eto Madagasikara izy ireo.
Tatiana A




