Nanomboka ny talata teo ary hifarana ny zoma ho avy izao ny hetsika fanaovam-baksiny faobe miaro amin’ny aretina lefakozatra sady ady amin’ny aretina azo avy amin’ny tay miparitaka. Natokana ho an’ny zaza vao teraka hatramin’ny 15 taona indray ny vaksiny amin’ity andiany ity. Voakasika avokoa ny faritra 23 ary nisy fitsidihana ny isan-tokantrano nanamarinana ny isan’ny ankizy latsaky ny 15 taona homena vaksiny. Matetika, tonga manao fanisana ny mpisitraka ny mpanentana ara-pahasalamana ao amin’ny fokontany fa tsy tonga manao ny vaksiny mandritra ny fotoana tokony hanatanterahana izany. Ny tsena sy ny toerana be olona ary ny sekoly no matetika andalovany fa tsy mahavita mitety trano izy ireo. Misy mpanara-maso avy amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka manamarina raha nandalo teo tokoa ny mpanao vaksiny saingy tokantrano vitsivitsy ihany no hadihadiany.
Efa nahazo fanamarinana fa afaka tamin’ny valanaretina poliomelita i Madagasikara ny taona 2018. Noho ny fangerena ankalamanjana, mbola betsaka mampiparitaka ny tay, nirongatra indray ny aretina ary misy tranga miseho amin’ny olon-dehibe ka nitarika ny minisitera hanao hetsika fanaovam-baksiny faobe misesisesy.
Manenjika isa apetraka amin’ny taratasy fotsiny ny mpanao vaksiny ho an’ny toerana sasany fa tsy nandalo eny amin’ilay tokantrano akory.
Vonjy




