Aiza ho aiza ny lalàna sy ny Andrimpanjakana amin’izao? Tsy maintsy hajaina ny lalàna sy ny Andrimpanjakana, raha ny fijerin’ny mpandinika fiarahamonina, Ramamimampionona Gérard. Fanehoan-kevitra…
“Anjaran’ny olona ao anatin’ireo Andrimpanjakana ny maneho ny hasina ananany amim-pahamarinana sy fijoroana tsara, ary mila manaja azy ireo ny rehetra fa raiamandreny ireo. Manao adidy tsy mitanila mba tsy hitarika ady koa ireo hoe raiamandreny. Tsy maintsy hajaina ny lalàna sy ny Andrimpanjakana, fa mikendry ny soa ho an’ny tena ary ny soa iombonana.” Io ny fijerin’ny mpandinika fiarahamonina, Ramamimampionona Gérard, momba ny fanajana lalàna sy Andrimpanjakana.
Eo amin’ny firenena repoblikanina, misy ny fahefana mpanao lalàna izay solontenan’ny vahoaka: manao lalàna “marina” ve? Tena mifanaraka tsara amin’ny zava-misy sy ny kolontsaina izany, ary mikendry ny soa iombonan’ny rehetra sy ny fiarahamonina manontolo. Eo koa ny fampiharana mitovy amin’ny rehetra, fa tsy lalàna hikendrena olon-tokana na hiarovana tombontsoan’olom-bitsy, ohatra. Izay no miteraka korontana. Mila fahamatoran’ny mpanao lalàna izany mba tsy hisy fifanoherana ka azo ifampisintonana. Mba tsy hisy zavatra manjavozavo koa ny lalàna, ka samy manazava amin’izay itiavany azy. Mampiady koa izay. Ezahina ho feno araka izay tratra ny lalàna, mba tsy hisy fahabangana ka samy hameno amin’ izay itiavany azy. Rehefa feno izay lalàna “marina” izay, tsy maintsy hajain’ny rehetra.
Mila ampianarina ny olom-pirenena
Rehefa vita tsara ny lalàna, ezahina ny fanabeazana ny olona amin’ny fampahafantarana lalàna. Izay no misy fahabangana amin’izao. Ekena hoe tsy misy olona heverina ho tsy mahalala lalàna. Tsy atao fitenenana fotsiny izay, fa mila ampianarina ny olom-pirenena hahalala lalàna, izay ampiharina amin’ny fotoana rehetra sy ny olon-drehetra. Tsy misy mizana tsindrina ila amin’izany. Masina ny lalàna ka tokony hohajain’ny rehetra, mitsinjo ny filaminan’ny rehetra, mitsinjo ny zo aman’andraikitra ny rehetra… Miainga amin’ny mpanao politika sy ny rehetra ny fanatanterahana an’izany. Tokony hampiharina amim-pahamarinana koa ny lalàna. Mila manaja lalàna ny rehetra, indrindra ny raiamandreny sy ny olobe eto amin’ny firenena: ohatra fakan-tahaka sy filamatra amin’izany.
R. Nd.




