Filohan’ny Ceni : “Tsy misy birao fandatsaham-bato matoatoa”

“Tsy azo heverina ny hisian’ny birao fandatsaham-bato matoatoa. Mifamatotra amin’ ny fokontany ny birao fanda­tsaham-bato ka tsy mitombina izany ary fanelezana vaovao tsy marina… “, hoy ny filohan’ ny Ceni, Andrianarisedo Dama Arsène, teny Alarobia, omaly. Nanteriny fa afaka manazava ny momba ny fokontany koa ny minisiteran’ny Atitany. Nanala ny ahiahin’ny sasany ny tenany momba ny fielezan’ny feo fa tsy hisy izany fifidianana izany. “Aho­ana moa no tsy hampisy ny fifidianana? Ny filohan’ny Repoblika am-perinasa teo aloha aza efa nametra-pialana. Hanao inona isika rehefa tsy misy ny fifidianana? Hanao Tetezamita ve? Tsy anjaran’ny Ceni izany”, hoy ihany izy. Tsy manan-tsafidy amin’ny fanatanterahana fifidianana ny Ceni, tsy manana alalana hanemotra izany koa. Tsy misy ankolafin-kery na rafi-panjakana afa-manemotra ny fifidianana, fa izay no hanehoan’ny vahoaka ny safidiny. Voalazan’ny lalàmpanorenana fa amin’ny alalan’ny fifidianana no ampindraman’ny vahoaka ny fahefany amin’ny tiany hitondra azy.

R. Nd.

Partager sur: