“Volana iray, mpanoratra iray”: hampahafantarina i Riva sy ny sanganasany

Manana ilay talenta mihazona ny mpamaky hanjohy hatramin’ny farany izay i Riva… Misongadina amin’ny fahaizany milalao ny teny, mamoaka ny aingam-panahiny ihany koa.

Riva Ando Andriamalala, fantatry ny maro amin’ny sonia Riva. Mpanoratra, poeta tsy zoviana amin’ny tontolon’ny literatiora izy. I Riva indray no nosafidiana hampahafantarina anatin’ny hetsika “Volana iray, mpanoratra iray”, amin’ity volana oktobra ity. Efa nanomboka tamin’ny fampahafantarana tanatin’ny tambajotran-tserasera izany, na dia efa maro mahalala aza ny mpanoratra sy ny sanganasany. Hitohy any amin’ny haino aman-jerim-panjakana ny fampahafantarana ary hisy ny fihaonana mivantana amin’i Riva. Hotontosaina ny alarobia 25 otkobra izao io, ao amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy. Fihaonana hizaran’ny mpanoratra ny aingam-panahiny, sy hamaliana ihany koa izay fanontaniana mety hanitikitika ireo mpanatrika izany.

Iza moa i Riva?

Poeta sy mpanoratra no tena hahafantarana azy. Mpiasa sosialy, misehatra amin’ny fampandrosoana ny eny ambanivohitra sy ny fandrahararahana eny ambanivohitra izy. Niditra tanteraka teo amin’ny sehatry ny literationa ny taona 1999. Tamin’io fotoana io ihany koa no nidirany ho mpikambana tao amin’ny Faribolana Sandratra, sampana Tsiroanomandidy. Nifindra tao amin’ny sampana Antananarivo izy ny taona 2002, ary sampana Toamasina ny taona 2014. Nanentana ny fananganana ny sampana Mahajanga ny taona 2017 ary niverina teto Antananarivo ny taona 2018. Mifantoka amin’ny fanoratana tononkalo sy sombin-tantara i Riva.
Ireo boky mirakitra ny asa sorany irery: “Kalo fitia”, jolay 2015. “Revy hafa”, desambra 2015. “Kalo fitia 2”, febroary 2016. “Anta­ranoana”, janoary 2017, “Revy hafa 2”, aogositra 2017. “Antara­noana 2”, novambra 2017. “Antaranoana 3”, desambra 2019. “Va­handanitra”, desambra 2022. Ankoatra ireo, boky maro be kosa no nandraisany anjara, niaraka tamin’ireo mpanoratra namany hafa.

Nangonin’i Zo ny Aina

Partager sur: