Navotsitry ny mpitandro filaminana ilay mpilalao horonantsarimihetsika malagasy, Jork Imbilaya, voasambotra tao Imeritsiatosika, omaly. Anisan’ireo nitarika fidinana an-dalambe mifandraika amin’ny hetsika ataon’ireo kandidà miisa 11 izy. Nampahafantatra tamin’ny tambajotran-tserasera izy rehefa nalefan’ny mpitandro filaminana nody.
Mpamaky trano ikoizana maty voatifitra tao Ankiliniabo, kaominina Analavory, ny alarobia 18 oktobra teo. Nifanenjehan’ny fokonolona teo am-panatontosana ny asa ratsiny izy io. Tratra teny aminy ny vola iray hetsy niampy akanga roa. Nalain’ny zandary io jiolahy io taorian’izay. Nikiry handositra teny am-pelatanan’ny mpitandro filaminana anefa izy ka voatifitra.
Lehilahy iray matin’ny lozam-pifamoivoizana teny Ambodivoara Andranovao, Ambohimangakely, afakomaly. Naratra mafy izy tamin’ny fotoana nitrangan’ny loza ka nentina nihazo ny toeram-pitsaboana. Tsy tana intsony anefa ny ainy noho ny fahaverezan-dra be loatra.
Mpimasy mpamatsy dahalo voasambotry ny zandary tao amin’ny faritra andrefan’ny distrikan’Ambato Boeny, ny alarobia 18 oktobra 2023 teo. Mpiray tsikombakomba amin’ny mpangalatra omby ao an-toerana ity mpimasy antsoina hoe Joronandro ity. Nanaovan’ny mpitandro filaminana paikady ka tratra teo amin’ny sampanan-dalana Tsaratanana izy.