Depiote Rakotondrasoa Fetra : “Tsy misy antony hitsipaham-pitokisana ny governemanta”

“Tsy mahita aho ny antony tokony hanatanterahana fitsipaham-pitokisana ny governemanta, izay efa fotoana fohy sisa no ipetrahany eo.” Io ny fanehoan-kevitry ny depiote voafidy tany Miarinarivo tamin’ny anaran’ny IRD, Rakoton­drasoa Fetra, manoloana ny hoe mety hisian’ny fitsipaham-pitokisana ny governemanta amin’izao fivorian’ny Anteni­mie­rampirenena izao. Gover­ne­manta manao fampandehanan-draharaha mandra-pahatonga ny filohan’ny Repoblika vaovao amin’ny fiandohan’ny taona 2024 io.
Makadiry ny andraikitry ny depiote amin’izao, fandaniana ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana, taona 2024. Izay filohan’ny Repobli­ka voafidy eo no hampiasa an’izay tetibolam-panjakana hodinihina sy holanian’ny depiote izay. Tena zava-dehibe izany. Mila mandeha ny firenena. Izay ilay hoe fifandimbiasam-pahefana demokratika. Ilaina koa izay fifandimbiasam-pahefana izay amin’ny hitohizan’ny fampandehanana ny raharaham-panjakana. Aminy, izay no tena asa imasoan’ny depiote amin’izao fivoriana ara-potoana faharoan’ny parlemanta izao.
Tsy tokony hisy ny hoe fitsipaham-pitokisana ny governemanta, izay hoe ataon’ny maro anisa. Nefa ny IRD no maro anisa eny anivon’ny Antenimierampirenena, izay inoany fa tsy hanatanteraka an’izay fitsipaham-pitokisana izay.

R. Nd.

Partager sur: