Andrianainarivelo Hajo : “Tsy azo ekena ny fampiasan-kery”

Nanao fanambarana tamin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera ny kandidà, Andrianainarivelo Hajo, omaly. Anisan’ny nasongadiny ireo tranga niseho tato ho ato, momba ny fiainam-pirenena..

“Tsy azo ekena ny herisetra sy ny fampiasana hery amin’ny vahoaka. Tsy azo ekena tahaka izany ny fanapahan-kevitra navoakan’ny Prefet an’Antananarivo”, hoy izy. Notsiahiviny ny voalazan’ ny Lalàmpanorenana momba ny fahalalahana maneho hevitra. Eo koa ny fifanarahana iraisam-pirenena, nosoniavin’i Madagasikara momba izany.
Etsy andaniny, nanteriny fa tsy mitombina velively ny filazana ho nisy olona voadona na naratra nandritra ny fanehon-kevitra, nataon’ny vondron’ny kandidà 11.
Nanteriny koa fa betsaka ny tsy fanarahan-dalàna eto amin’ny firenena ary antony hijoroan’izy ireo sy hanaovana ny hetsika, iarahana amin’ny vahoaka izany.
Ankoatra izany, notateriny ny fihaonana tamin’ny solontenan’ny sehatra iraisam-pirenena. Anisan’izany ny nilazany fa tsy azo tanterahana ny fifidianana. “Tsy manara-dalàna ireo dingana samihafa ary eo koa ny antony avy amin’ny governemanta ka tsy maintsy ahemotra ny fifidianana raha ny hevitra tapaka niarahanay kandidà tamin’ny fihaonana amin’izy ireo”, hoy ihany izy.
Nohitsiny fa tsy tokony hatao fitaovana hihazonana fahefana sy hiarovana tombontsoan’olom-bitsy, namotika firenena, ny ben’ny Tanàna sy ny mpiray tanindrazana.

Synèse R.

Partager sur: