“Mitondra any amin’ny krizy, raha vao mivoaka amin’ ny Lalàmpanorenana izay eritreretina hatao. Tsy mbola misy krizy ka tsy misy fifanarahana politika. Tsy misy koa ny eritreritra mankany amin’ny Tetezamita. Ao anatin’ny fanajana ny Lalàmpanorenana isika izao”. Io ny fanehoan-kevitry ny minisitry ny Rano sy ny fanadiovana ary ny fidiovana, Ravokatra Fidiniavo.
Samy manana ny fomba fanaovany fampielezan-kevitra ny kandidà. Tamin’ny fifidianana 2018, nisy nanao izany teny an-davarangana na zaridaina, tsy nisy niteny… Firy tamin’ireo kandidà tamin’ ny 2018 no tena nanao fampielezan-kevitra? Mizotra araka ny tokony ho izy ny fampielezan-kevitra amin’izao. Fitaomana olona tsy hifidy, ohatra, no ataon’ny vondron’ ny kandidà. Efa fampielezan-kevitra izay. Misy koa ny kandidà hafa mitety faritra, mankeny anivon’ny fokontany… “Noho izany, feno ny fepetra irosoana amin’ny fifidianana”, hoy izy. Mivoaka ny Lalàmpanorenana izay mieritreritra fa tsy tokony hatao ny fifidianana.
Anisan’ny teboka niaingana amin’ny fanajana ny Lalàmpanorenana amin’ny fanatanterahana fifidianana ny fametraham-pialan’ny filohan’ ny Repoblika am-perinasa tamin’ny 9 septambra. 60 andro aorian’izay, tanterahina ny fifidianana. Izay no imasoan’ny governemanta ifarimbonana, fizorana amin’ny fifidianana.
R. Nd.




