Fifidianana eo anivon’ny fitsarana : telo ireo kandidà ho an’ny CSM Toamasina

Manatanteraka ny fifidianana ny eo anivon’ny Filankevitra ambony ho an’ny mpitsara (CSM). Anisan’ny nanatanteraka izany ny ao amin’ny faritanin’i Toamasina.

Nizotra ara-dalàna ny fifidianana ho an’ ny fari-piadidian’ny fitsarana am­bony Toamasina. Ahitana rantsam-pitsarana miisa  fito any an-toerana ka anisan’izany ny fitsarana ambaratonga voalohany Ambatondrazaka, Mo­ra­manga, Vatomandry, Toa­ma­sina, Feno­a­rivo Atsi­nanana, Maroantsetra ary Ste Marie. Miisa 60 ireo mpitsara anatin’ny faritanin’i Toamasina andrasana handatsa-bato, hisafidy ny ho solontenan’ izy ireo eo anivon’ ny CSM, natao, omaly. Miisa te­lo ny kandidà nilatsaka hofidin’ireo mpitsara hifaninana amin’ny toerana iray. Eo ny mpitsara, Randrian­ja­rasoa Jhonson, toni­an’ny fitsarana ambaratonga voalohany Am­batondra­zaka, ny mpitsara, Va­hiny Yve Sandro, tonian’ny fitsarana ambaratonga voalohany Toa­masina ary Andriafano­me­zan­tsoa Lovatiana Alain, mpitsara mpanao fanadihadiana lalina anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina. Tom­banana ho ny talata vao hisy ny fanisam-bato noho ny fiandrasana ireo vata fandatsaham-bato sy ny tatitra isaky ny fari-pifidianana miisa fito.

Nindaosin’ny fahafatesana tampoka
Etsy andaniny, misaona ny totolon’ny fitsarana Toama­sina. Nindaosin’ny fahafatesana tampoka, teo amin’ny faha 74 taonany, ny mpitsara, Randriamanantena Jules. Efa tonian’ny fampanoavana am­bony voalohany teto Toama­sina, ny taona 2002. Safotra tampoka ary nitambotsotra izy nandritra ny fijerena baolina tany Andilamena, nandritra ny “Festival”, nokarakarainy iha­ny. Olon’ny fanatanjahatena ary tompon-kevitra tamin’ny fananganana ekipa ho an’ny mpitsara teto Toamasina ity mpitsara zokiolona efa nisotro ronono ity.

Sajo sy i Synèse R.

Partager sur: