Basikety N1A, hiditra amin’ny andro fahatelo anio, ny fiadiana ny tompondaka an’i Madagasikara N1A lahy sy vavy, etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Nampiseho ny maha tompondaka azy ny MB2All Analamanga, teo amin’ny sokajy vehivavy, izay nandresy ny TGBC Betsiboka tamin’ny isa 74 no ho 60. Nampiseho ny heriny ihany koa COSPN nanoloana ny As Fanalamanga, izay nandresy tamin’ny isa mavesatra 107 no ho 59.
Volley-ball. Mitety faritra amin’izao fotoana izao ny eo anivon’ny federasiona malagasin’ny volley-ball. Fijerena ny fomba hampandrosoana ny taranja eny ifotony no imasoan’ny teknisiana eo anivon’ny FMVB. Misy ihany koa ny fanentanana samihafa, toy ny fampirisihana ireo klioba hiditra amin’ny sehatry ny ara-dalàna ka hakan’izy ireo ny “certificat de conformité”.
Hotanterahina eny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka ny fifaninanana hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, Federal 2. Misy lalao dimy andeha eny an-toerana manomboka rahampitso. Anisan’ireo klioba hiakatra kianja amin’izany ny SOE Stade. Ny ekipan’ny XV Beravina no hifanandrina
amin’izy ireo.
Amin’ny maha mpakafy ny taranja baolina kitra ny filoha teo aloha, Rajoelina Andry. Niarahaba ny filohan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF) vaovao, Randriamanampisoa Alfred, izy, omaly tao anaty tambajotran-tseraserany. Manantena ny hitondran’ity filoha vaovao ity rivo-baovao eo anivon’ny kitra malagasy ny filohan’ny Repoblika malagasy teo aloha.