Soavinandriana : dahalo telo matin’ny fitsaram-bahoaka

Niara-matin’ny fitsaram-bahoaka ny dahalo telo lahy mpangalatra omby tao Am­bohipeno, fokontany Maha­zina, kaominina Ankisabe, distrika Soavinandriana, ny alakamisy 19 oktobra teo. Nentin’izy telo mirahalahy ireo ny omby iray tao amin’io fokontany io. Nanara-dia tamin’izany ny fokonolona nampian’ny miaramila. Nanidy ny kizo ahina handosiran’ireo olon-dratsy kosa ny zandary. La­tsaka afovoany ireo dahalo. Nanaiky ho samborina ireto farany. Nanohitra tampoka anefa izy telo mirahalahy. Maty tsy tra-drano izy ireo. Tetsy ankilany, dahalo iray hafa maty voatifitry ny mpitandro filaminana tao Madera, fokontany ao ihany, kaominina Dondona, ny zoma 20 oktobra teo. Nitsoaka nitondra ny omby avy nangalariny koa ny dahalo telo lahy ka raikitra ny hazalambo nataon’ny zandary. Vokany, lavo ny iray tamin’ireo mpangalatra. Tafapor­itsa­ka ny namany.

Tsiferana R.

Partager sur: