Vahoaka marobe no nanoina ny antson’ny kandidà laharana fahatelo, Rajoelina Andry, afakomaly, tany Mahajanga. «Ho laharam-pahamehantsika ny sosialim-bahoaka », hoy izy.
Nanohy ny fampielezan-keviny tany an-drenivohitr’i Boeny ny kandida laharana fahatelo, Rajoelina Andry, afakomaly. Vahoaka an’alina no nitsena azy teny amin’ny seranam-piaramanidina Amborovy, nanaraka ny diabe nihazo ny kianja Rabemananjara, ary nanatrika ny famelabelaran-kevitra izay nataony. Fisaorana ny mponin’i Mahajanga no nanombohany ny fotoana. “Maro ny tanàna notsidihina. Marobe hatrany ny tonga nanotrona fa teto Mahajanga kosa no voalohany. Mbola porofoinareo fa tianareo aho, izaho koa tia anareo. 60 % ny voka-pifidianana azontsika teto tamin’ny taona 2018. Azo antoka fa ho tafakatra 80 % izany amin’ny 16 novambra ho avy izao”, hoy izy namaky lay ny kabariny. Nisy ny fitanisana ny zava-bita toy ny hopitaly, ny sekoly, ny kianja manara-penitra. “Betsaka no vitantsika saingy mbola maro no tsy vita. Mila tohizana ny asa ka tsy maintsy ho vitaina ny kianja mitafo manara-penitra handraisana ny fifaninanana sy lalao iraisam-pirenena. Hohavaozina ihany koa ny kianja Rabemananjara. Tsy Antananatrivo irery no mendrika hanana zavatra goavana sy tsara. Ho jerena manokana ny faritra”, hoy izy.
Famoronana asa
Ho jeren’ny fitondrana ihany koa ny famoronana asa sy fanampiana ny vahoaka amin’ny lafiny sosialy. “Tsy maintsy hapetraka ary ho vitaintsika amin’ny fotoam-pitondrana manaraka ilay orinasa mpamokatra simenitra lehibe indrindra eto Madagasikara”, hoy hatrany, ny kandidà Rajoelina Andry.
“Tsy maintsy natao ireny fotodrafitrasa ireny, fa manomboka izao, ho jerena manokana isika tanora, tovovavy, vehivavy, ny vahoaka marefo.Manakaiky kokoa anareo aho manomboka izao”, hoy izy namarana ny lahateniny. Hisokatra amin’ny fomba ofisialy, anio, ny foiben’ny fampielezan-kevitry ny kandidà laharana fahatelo.
r.r




