Sokafana rahampitso, etsy amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy ny «Herinandron’ny Havatsà-Upem». Ny maraina, lanonam-panombohana. Manomboka amin’ny 2 ora tolakandro kosa ny tafa miaraka amin’ireo mpanonta boky, fiantsana tononkalo ary seho an-tsehatra samihafa. Marihina fa tafiditra ao anatin’ny faha-71 taonan’ity fikambanana ity izao hetsika izao.
Handalo eto Madagasikara ilay teratany frantsay Léo Marillier, mpitendry lokanga. Hanome fiofanana ho an’ireo liana, indrindra fa ny mpitendry «violon» izy ny 27 oktobra ka hatramin’ny 2 novambra izao. Hizara roa ny fiofanana : mandeha tsirairay sy itambarana mpitendry vitsivitsy (quatuor, quintette…). Ankoatra izay, hisy ny fampisehoana hotanterahiny, ao amin’ny IKM Antsahavola ny 29 oktobra amin’ny 4 ora sy sasany sy ny 2 novambra amin’ny 7 ora hariva.
Fiverenana eny an-doharano sa lamaody? Kolontsaina malagasy madiorano ny kabary. Fampitan-kafatra goavana be izy io. Tao anatin’ny 12 taona teo ho eo, saika nahitana mpikabary ireo lanonana karakarain’ny Malagasy, indrindra fa ny raharaham-panambadiana. Endrika ivelany, velombolo sy miaina ny kabary malagasy. Raha miditra lalina, nanana akony tamin’ ireo nanatrika ve ilay kabary natao nandritra ilay lanonana sa nijanona ho fahafinaretana fotsiny?
“Voyage musicale en Train”. Tanterahina ny 25 hatramin’ny 27 oktobra 2023, ny hetsika «Voyage musicale en Train». Amin’iny faritra Atsinanana iny no hanaovana ity hetsika ity. Hiainga eto Antananarivo ary hifarana ao Andasibe ny andro voalohany. Andasibe makany Toamasina ny andro faharoa, ary Toamasina mihazo ny Iles aux prunes ny andro fahatelo.