Fantatra fa miisa 14 ny tale ao anivon’ny Jirama nafindra toerana taorian’ny tomban’ezaka natao amin’izy ireo, nandritra ny 10 andro, nandritra ny fihaonan’ny filankevi-pintanana tamin’ny mpanao gazety, omaly. Tsy nisy kosa ny fanazavana mikasika ny tale jeneraly, fa voalaza fa anisan’ny tombanana koa ny zava-bitany.
Voalaza koa fa hisy ny fanovana ny rafitra sy ny fomba fitantanana ny Jirama. Hovaina ho mpandrindram-paritra ny lehiben’ny tobim-paritra. Manampy ireo, hohamafisina ny ady amin’ny halatra sy ny fanodinkodinam-bola. Hosarahina ny mpitantana ny fitantanam-bola sy ny fanaraha-maso (audit).
Manana andraikitra feno ao amin’ny Jirama ny mpikambana ao anatin’ny filankevi-pitantanana.
Araka ny efa notetarina teto, tsy salama, tratry ny Covid-19 ny tale jeneralin’ny Jirama, Radanielina Rivo. Fantatra fa efa mihatsara ny fahsalamany, ka amin’ny 9 desambra vao afaka miverina miasa ny tenany. Mikasika ny fanambaran’ny fiombonan’ny sendika ao amin’ny Jirama, nambaran’ny mpitantana ity orinasam-panjakana ity fa malalaka ny fanehoan-kevitra, fa mila manome vahaolana rehefa miteny olana, ary hajaina ny lalàna manen-kery.
Njaka A.