Ankizilahy 15 taona sy mpivady niara-maty nilatsaham-potaka tao amin’ny distrikan’Anjozorobe, afakomaly tolakandro. Niandry omby io ankizilahy io no nilatsaka tampoka ny varatra tao Avarabohitra. Namoy ny ainy niaraka taminy ny omby iray. Lasibatr’io loza io koa izy mivady izay nijanona tao an-tranony tao Ankazonaorina.
Raim-pianakaviana iray manana olana amin’ ny fahitana maty voafaokan’ny fiara teny Ambohidroa-Andranomena, omaly. Nirimorimo tampoka ny fiara sendra nandalo ka tsy nahatsikaritra io lehilahy io ny mpamily. Tsy tana intsony ny familiana ka nifatratra avy hatrany tamin’ilay raim-pianakaviana izay nitarika ny fahafatesany.
Dahalo iray lavon’ny mpitandro filaminana tao amin’ny tanànan’i Dabotoka, kaominina Bemarivo, distrikan’Ambatomainty, ny faran’ny herinandro teo. Nalain’ny jiolahy mitam-piadiana tao anaty vala ny omby miisa 10. Raikitra ny fanarahan-dia ka nifandona tao amin’ny kizon’Andranovorindakana ny dahalo sy ny zandary. Vokany, nandositra ireo mpangalatra omby. Lavo ny iray ary tafaverina avokoa ny omby.
Voasambotry ny polisy ny mpamaky trano iray teny Ambohipo, ny sabotsy 21 oktobra teo. Nikasa handroba tao amina tokantrano anatin’
io fokontany io izy mirahalahy. Saron’ny manodidina teo am-panaovana ny asa ratsiny anefa ireto farany saingy tafaporitsaka ny namany. Efa mpamerin-
keloka ity jiolahy tratra ity, araka ny fanazavan’ny
polisy.