Hetsikin’ny kandidà 11: nirava maina toy ny mahazatra ny diabe

Notanterahina omaly, na­nomboka teny Andranomena hatrany Mandrosoa Ivato, ny diaben’ireo kandidà 11. Toy ny mahazatra, samy nirava maina ny rehetra teny an-toerana. Andaniny, ny mpitarika nandao ny mpanara-dia fa hamonjy fivoriana. Ankilany, ny mpanara-dia niverina na­nohy ny asa andavanandrony. Tsy miova ny vontoatin’ny fitakiana: ny tsy hirotsahan’ny filoha teo aloha, Rajoelina Andry, kandidà laharana fahatelo. Ity farany izay manohy ny fampielezan-kevitra, mitety faritra.
Raha ny drafitry ny Vondron’ny kandidà, hihamafy fa mandeha tsikelikely ny fitakiana. Mikasa ny hivory miaraka amin’ny sendikà sy ireo antoko politika hafa ary mpiasam-panjakana ny kandidà mpanohitra tarihin-dry Ravalo­manana Marc sy Hery Rajao­na­rimampianina, filoham-pirenena teo aloha. Misy ny ady sisika mangina ataon’izy ireo.
Araka ny vaovao navoakan’ny ekipan-dry Ratsiraka Roland, hifanome fotoana eny Anosizato, hihazo an’Imerin­tsiato­sika indray izy ireo ra­hampitso. Tolona am-pilaminana, mitaky am-pitoniana no atao.
Tsy miala lavitra ny famoriam-bahoaka ihany koa ny mpitandro filaminana, omaly. Manao ny asany andavanandro izy ireo, hisorohana ny korontana. Fotoana fohy taorian’ny nahatongavan’ny kandidà, nandrava tsikelikely ny olona mitangorona izy ireo. Indrindra ny manodidina ny to­bin-tsolika. Tsy nisy ny fihoaram-pefy, tsy nisy ny fampiasan-kery.

Randria

Partager sur: