Natolotry ny minisitry ny Fampianarana teknika B ny fahazoan-dalana ara-panjakana hisokafan’ny ivontoeram-piofanana Axian Diploma, etsy Andraharo, ny herinandro lasa teo. Enina ny lalam-piofanana atolony ary manaraka ny «formation professionnelle qualifiante ». Mivoaka ho teknisianina avy hatrany ireo mpiofana.
Nisitraka fitaovam-pianarana ahitana kahie, penina, aron’akanjo, pensilihazo ary fitsipika ireo mpianatra ao amin’ny Cisco Mahajanga II. Nahazo ny anjarany koa ireo mpianatra ao anatin’ny ZAP Andranomena sy ny ZAP Ambodiangezoka, samy ao anatin’ny Cisco Andapa, ny herinandro lasa teo.
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny alahady teo ny taom-pianarana vaovao 2023-2024 ho an’ny sekoly katolika ao amin’ny diosezin’Antsirabe. « Mpianatry ny sekoly katolika mianatra mba ho tafita » no tarigetra. Mamolavola mpianatra amin’ny lafiny maha olona, ara-panahy mba ho tonga olom-banona ny sekoly.
Eny ankalamanjana, Andohatapenaka indray no hanatanterahan’ny Fikambanana Mampiely Baiboly ny vakiteny, raha toa ka trano fiangonana no mahazatra hatramin’izay. Tsy ny ankizy ihany no asaina fa ny tanora indrindra koa satria ny fikambanana Mitaha no miaraka mikarakara ny hetsika amin’ny FMBM.