Baolina kitra : lasa any Frantsa ny Coach Rôrô hijery mpilalao vaovao

Nanohy ny diany any Frantsa, Rakotondrabe Romuald (Rôrô), mpanazatra ny Barea de Madagascar. Hitily mpilalao vaovao afaka hanatevina ny ekipam-pirenena malagasy ny tenany, mialoha ny hiatrehana ireo lalao fifanintsanana ho an’ny “Mondial 2026”.

Taorian’ny fahavitan’ireo lalao firahalahiana roa, notanterahina tany Maroc, nandritra ny datin’ny FIFA, fantatra, araka ny fampitam-baovao, fa tsy niara-nody tamin’ireo mpilalaon’ny Barea de Madagascar, ny Me Rôrô fa avy hatrany dia nizotra nankany Frantsa. Mijery sy mandresy lahatra ireo mpilalao azo antsoina handrafitra ny Barea de Madagascar, ny tena anton-diany any.
Efa misy ireo vonona ny hanatevin-daharana ny ekipam-pirenena malagasy. Mi­ankina amin’ny fahaizany sy ny masontsivana takin’ny mpanazatra koa anefa ny hiantsoana azy fa tsy ho raisina daholo izay rehetra manolo-tena. Fanamby goavana rahateo ny miandry ny Me Rôrô, izay nametrahan’ny fe­derasiona vaovao, ny fitokisany hitondra ny Barea indray.
Tsy mbola fantatra na hitety ireo firenena hafa any Eo­ropa ny tenany na ao Frantsa ihany.
Tsiahivina fa hiatrika ny lalao fifanintsanana hiadian-toerana ho an’ny “Mondial 2026”, ny Barea de Madagas­car. Raha ny fandaharam-potoana, hanafika any Ghana ny Barea de Madagascar eo amin’ny andro voalohany, ny 13 novambra ho avy izao. Aorian’io, ho any Tchad indray ny 21 novambra 2023. Tsia­hivina fa ao amin’ny vondrona I no misy ny Barea de Mada­gascar, miaraka amin’ny Re­poblikan’i Centrafrique, Tchad, Comores, Ghana ary Mali.
Ankoatra izay, nanainga omaly alatsinainy nihazo an’i Suisse, foibe toeran’ny federasiona iraisam-pirenena (FIFA), ny filohan’ny federasiona (FMF), Randriamanam­pisoa Alfred. Hisy ny fihaonany amin’ireo tomponandraikitra ka anisan’ny angatahin’ny filohan’ny FMF ny hanafoanana ny sazin’ny baolina kitra malagasy ka hiverenan’ny fa­matsiam-bola indray.

Tompondaka

Partager sur: