Naneho ny fahavononany hiasa avy hatrany sy hampandroso ny baolina kitra ny filohan’ny ligy any amin’ny faritra Boeny, Maeva Portos. Ny sabotsy 21 oktobra lasa teo izy sy ny mpiara-miasa aminy nanolotra fitaovana, toy ny ordinatera sy “imprimante” ary baolina ho an’ireo seksiona any toerana. Marihina fa tonga nanatrika io fotoana io, ny talem-paritry ny Tanora sy ny fanatanjahantena any an-toerana.
Ny 12 aogositra lasa teo, lany ho filohan’ny ligy Boeny i Maeva Portos. Tanjon’izy ireo ny hampandroso ny baolina kitra any amin’io faritra iandraiketany io. Tsiahivina fa maro ireo klioba misongadina any Boeny. Anisan’izany ny Fosa Juniors Fc, tompondaka farany, fifaninanam-pirenena “Orange Pro League (OPL)”, taona 2022-2023 sy ny Tsaramandroso Formation TFFC.
Tsara ny mampahafantatra fa efa mijoro ary manana olom-baovao ny mpitantana ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Randriamanampisoa Alfred, filoha vaovao hitantana ny FMF mandritra ity efa-taona manaraka ity. Manana tanjona ny hanamboarana ny kianja Rabemananjara ity filoha vaovao ity.
Fitia Randria