“World Jiu-Jitsu Championship” : efa nahavita fisoratana anarana ny solontenan’ny Malagasy

Andro vitsy tsy hanombohan’ny fifaninanana “World Jiu-jitsu Championship” hatao any Abu Dhabi, efa nahavita fisoratana anarana avokoa ireo Malagasy mpikatroka 13 mianadahy hifaninana amin’izany. Hiditra amin’ny fanaovana ny Visa kosa izy ireo amin’ity herinandro ity. Namba­ran’ ny teo anivon’ny federasiona malagasin’ny Jiu-jitsu anefa fa mbola sarotra ny hoenti-ma­nana amin’ity fifaninanana ity, ka izany indrindra no nahatonga ny teo anivon’ny federasiona, nanao antso ho fanampiana. Ny faran’ny herinandro teo, nanolotra taratasim-bola mitentina 3 tapitrisa Ariary ny groupe Refrigepeches-Sopro­mer, hoentina hanohanana ny ekipam-pirenena. Tetsy amin’ny Dojo Esca ny nanolorana izany. Ankoatra izay, miantoka ny fampikotranana ireo Malagasy mpikatroka mandrafitra ny ekipam-pirenena ireo koa ny Planète sport, izay nitondran’ny federasiona fisaorana. Mbola manao antso izy ireo ho an’izay maniry ny hanampy amin’ny lafiny rehetra ny ekipam-pirenena. Tsia­hi­vina, sokajy efatra no hifaninanana amin’ity, dia ny “pro”, ny “Master”, ny “jeunes” ary ny “amateurs”. Sambany handray anjara amin’izany “World Jiu-jitsu Championship” izany i Madagasikara.

Mi.Raz

Partager sur: