Ambilanibe Anosipatrana : feno jiro halatra tao an-tranon’ireo jiolahy

Noraisim-potsiny ! Saron’ ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Ambohiman­gakely, afakomaly, ireo jiolahy roa raindahiny amina halatra jirona fiara. Lasibatr’ireo mpangalatra ny jirobe anoloana sy aorian’ny fiara. Maro ireo manana fiara no mitaraina amin’ny afitsok’ireo mpangalatra. Nitrangana halatra jiro teny amin’ny fokontany Be­hitsy, kaominina Ambohiman­gakely, Antananarivo Avara­drano, ny 17 oktobra 2023 lasa teo. Ireo fiara mipetraka anaty trano no tena lasibatra. Fiara minibus iray nipetraka teo an-tokontany no nidiran’ireo mpangalatra an-tsokosoko. Lasa tamin’izany ny jirobe aloha sy aoriana, miampy ny pare chocs. Tsy vitan’izay fa nongotan’ireo mpangalatra hatramin’ny radiateur. Nanao fikarohana avy hatrany ny zandary taorian’ny fitoriana nataon’ireo tompona fiara. Nitohy hatrany ny fikaroham-baovao sy ny vela-pandrika nataon’ny zandary. Nahitam-bokany izany satria tratra tao amina jiolahy iray monina eny Ambilanibe Anosipatrana avokoa ireo karazana jiro very rehetra. Hita tao an-tranony avokoa ny karazana jiro avy nangalarina teto an-drenivohitra. Miravaka mihitsy ny trano tamin’ny fotoana nahatongavan’ny zandary. Niaiky izy tamin’ny fotoana nisamboran’ny zandary azy. Nosamborina niaraka taminy koa ny namany iray mipetraka eny An­dohatapenaka. Hita tamin’ireo jiro ireo ny an’ilay fiara teny Ambohimangakely. Efa naverina amin’ny tompony avokoa izany. Nogiazana kosa ireo sisa tavela miandry ireo tompona fiara manana jiro very.

Jean Claude

Partager sur: