Miantso ny mpiray tanindrazana hivavaka ho an’ny firenena ny Hetsiky ny mpitondra fivavahana. Hotanterahina etsy Antsahamanitra anio tolakandro izany. Nambaran’izy ireo fa fotoana itondrana am-bavaka ny olana mandalo eto amin’ny firenena izany.
Mandeha hatrany ny fifidianana na tsy hanao aza ireo kandidà 10, araka ny nambaran’ny sekretera nasionalin’ny TGV, Rasoamaromaka Hery. Tsiahivina fa efa nametra-pialana maha governora azy ny tenany, noho izy hanao propagandy ho an’ny kandidà laharana fahatelo.
Mitaky fifampiresahana hikaroham-bahaolana ny Fiarahamonim-pirenena (OSC), araka ny nambaran’izy ireo tetsy Ambatonakanga, omaly. Takin’izy ireo koa ny hanaovana fifidianana madio sy eken’ny rehetra
Miantso fitoniana ny Synad ary vonona hizara traikefa manoloana ny olana ara-pifidianana misy ankehitriny, nandritra ny fivoriana tsy ara-potoana nataon’izy ireo afakomaly. Tsy tokony hafangaro ny fampielezan-kevitra sy ny fanehoan-kevitra politika ary ny fihetsiketsehana.