Nolaniana ny taona 2018 ny fankatoavana ny fahaiza-manao (VAE), rafitra iray eo anivon’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa. Faritra efatra no nanaovana ny dingana andrana, ny taona 2021, amin’ny sehatrasa dimy: fizahantany sy fandraisam-bahiny ary fampisakafoanana, taotrano sy ny asa vaventy, ny zaitra sy ny kojakoja. 86 ireo efa nahazo fanamarinana ny traikefa sy fahaiza-manao ka notolorana ny diplaoma.
Nahazo fanampiana avy amin’ny BNGRC ireo fianakaviana 114 may trano, ny 7 oktobra lasa teo, avy ao amin’ny fokontany roa, ao amin’ny distrikan’
i Marolambo. Samy nahazo vary 25 gony sy zavatra ilaina (PPN) amin’ny alalan’ny vatsy tsinjo sy kojakoja an-dakozia ireo fianakaviana rehetra.
Ny 18 oktobra hatramin’ny 7 novambra ny fotoana handalovan’ny dokotera Pierre Chollat, Namy sy Jean-Jacques Rizzo, eto Madagasikara. Mitondra tohana ho an’ny Amadia izy ireo avy amin’ny Médecine, Aide et Présence. Mandray an-tanana ireo olona manana toe-tena diabetika ny Amadia ary mahakasika izany indrindra no dian’ireto dokotera ireto ao an-toerana.
Nandritra ny “Festival Batrelaka” natao tao Antsiranana, ny faran’ny herinandro teo, no nahalany ho “Miss Viavy Fasha” an’i Charlotte, izay tovovavy manana toe-tena varira ary mpitarika ny fikambanana varira any an-toerana rahateo. Sehatra nanomezan-danja ny fampiatiana ary nampisongadina ireo sokajin’olona varira.