Manomboka izao, hatao ho anisan’ny taranja hifaninanana eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny tolona (FML), ny “lutte Greco-romaine”. Tonga nanome fahalalana fototra momba izany, i Hassli Alain Georges.
Nanomboka ny alatsinainy teo, hatramin’ny rahampitso alakamisy, ny fiofanana eo amin’ny «lutte Greco-romaine», tarihin’ilay frantsay manampahaizana, i Hassli Alain Georges, mpanazatra ny ekipa frantsay U15 sy U17. Atleta sy mpanazatra ary mpitsara miisa 40 mianadahy avy amin’ny ligim-paritra Analamanga sy Boeny, Matsiatra Ambony ary Atsinanana no manaraka izany, etsy amin’ny ANS Ampefiloha. Nambaran-dRaveloson Mamitiana, filohan’ny Federasiona malagasin’ny tolona (FML) fa hampidirina eto Madagasikara ny «lutte Greco-romaine». Araka ny fanadihadiana sy ny fanambaran’ireo manampahaizana maneran-tany, tsy maintsy ampiarahina amin’ny «lutte Greco-romaine» ny «lutte libre» mahazatra ny Malagasy, mba hahomby kokoa.
Tanjona amin’izao andiany voalohany izao ny fiofanan’ ireo mpampiofana, hanomanana ny fiadian-toerana ho an’ny lalao Olympique (JO 2024). Nohamafisin’ny filohan’ny federasiona fa hisy fifaninanana «lutte Greco-romaine», manomboka amin’ny taona ho avy.
«Manana fahaiza-manao ireo mpiofana ary mahay mihaino sy mora mandray ka vetivety dia afaka mampihatra ny zavatra nianarany. Manana fanantenana betsaka aho, ho an’ny Malagasy amin’ity lutte Greco-romaine ity”, hoy i Hassli Alain Georges.
Notsiahivin-dRaveloson Mamitiana fa herin’ny federasiona manokana ny nanafarana sy nanaovana izao fiofanana izao. Tafiditra ao anatin’ny fampivondronana ho an’ny fiadiana ny tapakila, amin’ny lalao Olympika ihany koa izy ity, ka hiantsoana ny minisitera amin’ny fanohanana.
Tompondaka