Novonoin’ny jiolahy: nizara roa ny vatany, tapaka ny lohany

Nampihoron-koditra ny zava-nanjo an’i Riry Emile, raha niambina ny tany mangahazony. Novonoin’ny jiolahy izy. Nozaraina roa ny vatany. Notapahina ny lohany.

Lasa faritra mena ! Raim-pianakaviana iray fantatra amin’ny anarana hoe Riry Emile no hita faty. Nisy namono tamin’ny fomba feno habibiana tao amin’ny fokontany Ambatoharanana Man­dia­manga, kaominina amba­nivohitr’Andasibe, distrikan’i Vavatenina, ny 22 oktobra izy. Efa simba tanteraka ny razana. Notapahan’ireo jiolahy roa ny vatany. Noesorina tamin’ny vatany koa ny lohany. Natsipy tamina toerana samihafa ny vatany sy ny lohany.
Raha ny loharanom-baovao voaray avy any an-toerana, miakatra ny vokatra mangahazon’i Riry. Misy mangalatra izany nanomboka ny 15 oktobra. Manoloana izany, nilaza tamin’ny fianakaviany izy fa hiambina ny tanimboliny. Roa andro taorian’ny nifampiresahany tamin’ny havany, nanomboka niandry ny tani-mangahazony izy. Tamin’io andro io no nahitan’ny havany azy farany.
Nikaroka ny zandary…
Nanao fampandrenesana teny amin’ny mpitandro filaminana ny ankohonany momba ny fanjavonana tampoka. Na­no­katra fanadihadiana ny zandary. Hatairana ny an’ny fianakaviany. Hita tao anaty ala ny vatana mangatsiaka efa sim­ba. Ny akanjony teny an-kodiny sisa namantarana azy. Karandoha efa nihintsana nofo no hita lavidavitra ny vata­ny. Tsy mbola fantatra hatramin’ izao ny tompon’antoka tamin’ ity vonoan’olona mahatsiravina ity. Anatin’ny fanadihadiana lalina ny zandary ao an-toerana.
Vono olona faharoa nitranga tany an-toerana ny mahakasika an’i Riry. Vao tsy ela no nisy tovolahy novonoina nariana tany amin’ny biraon’ny kaominina.

Sajo/J.C

Partager sur: