Haintrano: lasa lavenona ny vola saika hanaovana mariazy

May kila forehitra ny trano iray nahitana rihana roa tetsy Mahamasina, tao amin’ny fokontany Tsimialonjafy, omaly tamin’ny 9 ora maraina. Tsy nisy azo noraisina ny entana rehetra tao anatiny. May tao koa ny vola tahiry nokasain’ny fianakaviana iray hanaovana mariazy. Efitra iray tao anatin’ ny rihana voalohany, izay tsy nisy olona sady nihidy ny varavarana no niandohan’ny afo. Antony nahatonga izany, ny fifampikasohan’ny herinaratra. “Avy niandry faty aho ary mbola natory no taitra rehefa nisy niantsoantso hoe may ny trano”, hoy Rakotomalala Rotsiniana, tovolahy iray, nonina tao amin’ny trano. “Ohatry ny nanofy aho nahita ilay setrokabe, nanavotra aina haingana”, hoy izy. Saika hitsambikina teo am-baravarankely hamono ny afo izy. Nian­jera tany ambany satria tsy na­hazaka intsony ny lavarangana, raha ny fanazavany hatrany.
Tonga teny an-toerana namono ny afo ny Sampana mpamonjy voina. Nifarimbona nanampy ny mponina. Nanano sarotra ny fakana ny rano noho ny fahatapan-drano teny an-toerana, izay tao anatin’ny fahamaizana tanteraka, raha ny fanazavan’ny mpamonjy voina iray. Voafehy ihany ny afo, adiny iray taty aoriana ka tsy niitatra tamin’ny trano hafa manodidina. “Entanina ny olona isan-tokantrano sy ny toeram-piasana hijery sy hitandrina ary hanamarina tsara ny zavatra mety hitarika firehetana alohan’ny handaozana ny tokantrano. Toy ny afon-tsaribao, labozia, herinaratra… mba hisorohana ny loza mety hiseho”, hoy ny lehiben’ny Vondrona sampana mpamonjy voina, ny Kly Razafimanahaka Tiana.

Mino

Partager sur: