Fanoitra amin’ny fampandrosoana ny toekarena ny fanaovana asa tanana isan-karazany. Mamelona tokantrano maro samihafa izy ary manome lanja ny vokatra vita malagasy.
Fihariana tsy afa-misaraka amin’ny andavanandron’ny Malagasy ny asa tanana. Miteraka asa sy mampidi-bola ary mamelona fianakaviana sy tokantrano samihafa izy ary fototra mampiroborobo ny toekaren’ny firenena. Manome lanja ny asa tanana izany indrindra ny hetsika “salon de la créativité Voatra”, andiany faha-10, atao etsy amin’ny kianja Barea, mandritra ny efatr’andro. Mampiranty vokatra isan-karazany ireo mpandraharaha nahazo tohana avy tamin’ny Antenimieran’ny varotra sy ny indostria Antananarivo (CCIA). Mampiseho ny fivoaran’ny vokatra nataony tao anatin’ny 10 taona izy ireo. Misy koa ireo kaoperativa sy mpandraharaha sambany vao mandray anjara amin’ny hetsika. “Anasana ny mpanao asa tanana efa niaraka tamin’ny CCIA hatramin’izay ny hetsika” hoy ny filohan’ny Antenimieran’ny varotra sy ny indostria, Rakotondrasanjy Rivo, nandritra ny lanonam-panokafana ny hetsika, omaly. Fanoitra ho an’ny fampandrosoana an’ireo orinasa madinika sy salantsalany ny hetsika, antony mahatonga azy atao isan-taona.
Mivoatra
Miavaka ary ankafizin’ny teratany vahiny ny asa tanana malagasy. Ankehitriny, manodidina ny 32 tapitrisa ny vokatra naondrana any ivelany raha toa ka 15 tapitrisa izany roa taona lasa izay. Betsaka ny akora eto amintsika, ilaina ihany koa ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpandraharaha mba hanaraka ny kalitao iraisam-pirenena ny vokatra ataony. Manampy ny mpandraharaha hampiroboroboana ny asa ataony ny CCIA. Misy, araka izany, ny tohana isan-karazany omeny.
Henintsoa Hani