Ahoana ny amin’ny tsy fanaovan’ny kandidà sasany fampielezan-kevitra sy fifidianana amin’ izao? Manohitra ny demokrasia izay, raha ny fijerin’ny mpahay lalàna, i Fanahimanana Tiaray. Fanehoan-kevitra…
“Tena manohitra ny demokrasia ny fanaovana ankilabao na tsy fandraisana anjara amin’ny fifidianana. Mieritreritra ny olona fa safidy ny fanaovana izany, nefa lasa voafafa ao anatin’izany ny demokrasia”, hoy ny fanehoan-kevitry ny mpahay lalàna, i Fanahimanana Tiaray, manoloana fiatrehana fifidianana filohan’ny Repoblika amin’izao. Voafafa ao anatin’izany koa ny fahafahan’ny olona manome fahefana olona na lisitra iray ho solontenany na hitondra firenena amin’ny alalan’ny fifidianana. Tsy mahasakana ny zotram-pifidianana ny fanaovana ankilabao. Izay no mampalahelo amin’ny fanaovana politika eto Madagasikara. Ny kandidà ihany no tsy manaja sy manafoana ny zony. Nefa manana ny olona mpanohana azy sy ny fandaharanasany avy izy ireo. Lasa ataony tsinontsinona ny olona mpanohana azy amin’izany.
Ny lalàna ary ny zava-misy maneran-tany, na tsy manao fampielezan-kevitra aza ny kandidà iray: tsy maintsy tonga any amin’ny biraom-pifidianana ny biletàny. Tsy hoe tsy nanao fampielezan-kevitra izy dia tsy ho tonga any amin’ny biraom-pifidianana ny biletàny. Biletà tokana rahateo no hampiasaina amin’izao. Tsy maintsy hisy olona hifidy azy, na tsy nanao fampielezan-kevitra aza izy.
Tsy mitombina ny hoe tokony horavana ny Ceni
Tamin’ny 2015 ny lalàna momba ny Ceni. Valo taona izay: efa nisy fifidianana filohan’ny Repoblika iray, depiote roa, loholona roa, ben’ny Tanàna roa. Misy rafitra roa eo anivon’ny Ceni, araka ny And. 14, amin’ny lalàna 2015-020 : ny rafitra maharitra nifidianana ireo mpikambana ao aminy; ny rafitra tsy maharitra kosa ahitana solontenan’ny kandidà arakaraka ny isan’izy ireo, araka ny And. 30-33. Efa niantso izany ny Ceni, fa kandidà roa ihany no nandefa solontena.
Noho izany, tsy mitombina ny filazan’ny kandidà hoe tokony horavana ny Ceni ary hasiana solontenan’ny kandidà. Ny lalàna izay efa valo taona izay no efa mandidy ny amin’izay fanoloran’ny kandidà solontena eo anivon’ny Ceni izay. Ny fanoloran’izy ireo solontena eo anivon’ny Ceni no vahaolana. Efa nanendry ny azy ny kandidà roa, fa ny an’ny kandidà 11 no andrasana.
R. Nd.