Manohy ny asa fampandrosoana ny faritra Analamanga. Anisan’izany ny fanamboarana ny lalana rarivato eny Ambodirano Ampefiloha hahafahan’ny mponina mivezivezy ao anatin’izao fotoam-pahavaratra izao. Miainga eo amin’ny EPP mitsofoka any anaty tanàna ny fanamboarana. Hamafisina ihany koa ireo rarivato efa vita teo aloha mba hampateza azy.
“Fampananan-tany ny vehivavy any ambanivohitra, antoky ny tontolo lavitry ny mosary sy ny fahantrana”. Io no lohahevitra nanamarihana ny fankalazana roa sosona natao tany Ambato Boeny. Nomarihina niaraka ny Andro maneran-tany ho an’ny vehivavy ambanivohitra sy ny Andro maneran-tany ho an’ny sakafo.
Hiara-hiasa ny Association Eau – Soleil PACA sy ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa amin’ny tetikasa famatsian-drano vaovao. Amin’ny alalan’ny paompy mandeha amin’ny herin’ny masoandro ho fampiharana fandaharanasa fanofanana matihanina izany ho an’ny LTP Sambava. Nizara ny fandaharanasa fampidiran-drano ho an’ny lisea teknika ao amin’ny kaominina Sambava sy ny manodidina ny fikambanana nandritra ny fitsidihan’ny minisitra tomponandraikitra tany an-toerana.
Tontosa ny fifaninanana lalao baolina kitra an-tsekoly ao amin’ny Dren Betsiboka, ny faran’ny herinandro lasa teo. Ekipa, lehilahy, ihany no nifaninana amin’ny sokajy roa : ny latsaky ny 13 taona sy ny latsaky ny 15 taona. Hisolontena ny Dren Betsiboka hiatrika ny fifaninanana nasionaly hatao eto Antananarivo izay nandresy.