Fanafihana tetsy Namontana : lehilahy roa maty voatifitra

Lehilahy roa, 41 taona sy 25 taona, maty voatifitry ny jiolahy nitam-piadiana tetsy Namontana, omaly hariva. Voaroba ny vola.

Nirefodrefotra ny basy teny amin’ny fokontany Namontana, omaly ha­riva tamin’ny 6 ora sy sasany. Jiolahy efa-dahy nitondra basy sy sabatra lavalela niditra an-keriny tao amina tanàna iray teny an-toerana. “Tsy nisy nisaron-tava ny telo lahy raha toa ka nanafina endrika ny iray”, hoy ny fanazavan’ny polisy nisahana ny fanadihadiana. Nitaky ny vola tamin’ny tompon-trano ireo olon-dratsy. Nanapoaka basy avy hatrany ireto farany. Voatifitra ny tompon-trano. “Tafiditra tao an-trano avokoa ireo olon-dratsy nanafika ireo”, araka ny fanamafisan’ny polisy nidina ifotony nijery ny zava-nisy teny an-toerana. Ankoatra io, lehilahy iray hafa 25 taona koa namoy ny ainy rehefa nentina nihazo ny toeram-pitsaboana.

Voaroba ny vola…
Lasan’ireo jiolahy ny vola tao amin’io tokantrano lasibatra, omaly hariva io. “Tsy fantatra mazava hatramin’izao ny sora-bola lasan’ireo mpandroba satria mbola taitra loatra noho ny fanafihana ny ireo voakasik’izany”, hoy ny polisy. Mpanjaitra no antom-piveloman’ity tokantrano lasibatra ity. Intelo nanapoaka basy ireo olon-dratsy. Nirifatra nandositra taorian’io. Nijery ny zava-nisy teny an-toerana ny polisim-pirenena. Andrasana kosa ny tohin’ny fanadihadiana.

Tsiferana R.

Partager sur: