Novonoin-dreniny : nariana tao an- dava­piringa ilay zaza

Habibiana tanteraka! Novonoin-dreniny ary nariany tao anaty lavapiringa ny zanaka naterany amam-bolana tao Imerintsiatosika, ny faran’ny herinandro teo.
Notaperin’ity renim-pianakaviana iray ity ny ain-janany vao telo volana monja ny alahady 22 oktobra teo, fokontany Miakadaza, kaominina Imerintsiatosika. Nariany tao amin’ny lavapiringa io zanany io. Nolazainy fa nisy nibata tao amin’ny trano fatoriany io zaza io rehefa izy nivoaka namonjy toeram-pidiovana, ny tolakandron’ny alahady 22 oktobra teo. Hatairana ny an’ny manodidina raha nandre ny zava-nisy ka niezaka nanampy io renim-pianakaviana io nikaroka ilay zaza. Nampita ny vaovao tamin’ny radio tsy miankina iray sy tamin’ny tambajotran-tserasera koa io very zaza io. Tetsy ankilany, nanao ny fanadihadiana lalina ny zandarimaria. Nahatsikaritra zavatra hafahafa ny fianakavian-drangahy vadin’io vehivavy io. Nosavaina avokoa ny manodidina rehetra kinanjo hita tao anaty lavapiringa ilay zaza afakomaly hariva tamin’ny 6 ora.

Olana an-tokantrano
Vao nifamerina io vehivavy io sy ilay rain-janany. Matetika niady izy mivady ireto. Nahian’ny mpanao fanadihadiana ho mbola nitohy anefa io tsy fifankazahoana teo amin’izy roa io. Vokany, novonoin-dravehivavy ilay zaza. Nandositra tany amin’ny reniny ity farany taorian’io habibiana io. Nosamborina avy hatrany io renin-jaza nahavanon-doza io. Atolotra ny fampanoavana kosa izy aorian’ny famotorana azy.

Tsiferana R.

Partager sur: