Nanohitra ilay mpamily : jiolahy iray maty voatsatok’antsy tao Toamasina

Naratra voatsatok’antsy ny mpamily Bajaj notafihin’ny jiolahy tao Toamasina, ny alakamisy 19 oktobra 2023 lasa teo. Nanohitra izy ka voatsatok’antsy koa ny iray tamin’ireo olon-dratsy. Vokany, namoy ny ainy ilay jiolahy. Avy nanatitra mpiasa tany amina orinasa iray ao Antanandava izy tamin’io fotoana io. Voala­zan’ny loharanom-baovao fa manodidina ny 20 000Ar ny saran-dalana manatitra mpiasa satria efa mivoaka ny faritra an-tampon-tanàna. Rehefa niverina ity raim-pianakaviana ity no nisy roa lahy nanakana azy. Noheverina ho toy ny mpandeha rehetra ka nentiny soa aman-tsara. Vao niala kely ny toerana nandraisana azy ireo anefa, kapoka vatobe sy tsatok’antsy no niantefa tany amin’ilay niharam-boina. Noteren’ireo jiolahy hamoaka ny vola tany aminy izy. Niezaka niantso vonjy anefa izy saingy nitazam-potsiny ireo olona manamorona ny RN2 Bis. Mody nitsapatsapa paosy hamoaka vola ilay mpamily ka voarainy tampoka ny antsy teny amin’ireo jiolahy. Notrobarany tamin’ilay antsy teo amin’ny takibany ny jiolahy iray. Lasa nitsoaka avy hatrany ireo olon-dratsy raha niezaka namily ny Bajaj hatrany amin’ny hopitaly kosa ilay mpamily. Tonga soa aman-tsara izy ka efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy. Tsy sahy namonjy toeram-pitsaboana kosa ilay jiolahy naratra ka niafara tamin’ny fahafatesany tao an-tokantranony, fokontany Tanambao Verrerie Toamasina, ny zoma maraina teo. Eo am-pikarohana ny namany kosa ny mpitandro filaminana amin’izao fotoana izao.

Sajo/J.C

Partager sur: