Ara-bakiteny tokoa: Tsy mahalala fomba ny Malagasy

Faheno matetika ny hoe : « zaza tsy mahalala fomba » ! Tsy ny zaza ihany anefa no mety ho tratran’io fa na ny olon-dehibe ihany koa. Ilay milaza na miteny fa « tsy mahalala fomba », mihevi-tena ho mahafantatra ?

Tsy misy maharatsy ny hoe mahalala fomba, raha tena izay tokoa ny marina. Saingy, mampisalasala ihany. Tena mahalala ny fomba malagasy tokoa ve ny Malagasy? Fomba tahaka inona no fantany ? Fomba manao ahoana no hainy ? Ny miaina izao vanim-potoana izao ve mbola mahalala fomba ? Raha izany mantsy no marina, tsy farahidiny tahaka izao ny Malagasy. Tsy misy firenena nahatazona ny maha izy azy (iray amin’ireny ny fomba) ka azon’ny hafa ambakaina. Raha mahalala ny fombany ny ankamaroan’ny Malagasy, tsy ho safiotra tahaka izao ny zava-misy sy iainana eny amin’ny fiarahamonina. Ambara ho Malagasy, toa vahiny. Lazaina ho vahiny, toa Malagasy ihany.
Ny Malagasy raha vao mifankahita mifampiarahaba amin’ny hoe : « Manao ahoana » ? Io no tena fomba malagasy, satria, milaza sy manontany ny « aina ». « Manao ahoana ny aina ? ». Marary ? Tsy dia metimety loatra ?, sns. Miankina amin’ny valintenin’ireo olona mifanontany ny ho tohin’ny resaka. Raha misy ny tsy salama, « mirary soa » ho azy ireny ny tomady. Iny ilay « rary soa » sy « tsodrano », mba hahazo fahasalamana ilay olona. Izany no tena fomba malagasy. Kanefa, firy amin’ny Malagasy no mahalala izany ?

Mahalala fomba… Sadasada !
Raha io, ohatra, tokana io no iaingana, tena mahalala fomba tokoa ny Malagasy, saingy, sadasada. Fomban-drazam-bazaha. Izany hoe, ilay miarahaba rehefa mifankahita, voatazona ihany fa ilay tena heviny sy ny votoatiny very sy niova tanteraka, hany ka tsy manana ny hasiny sy ny heriny intsony ilay fomba. Tsy misy dikany amin’ny lamina voajanahary iainan’ny Malagasy ny hoe : « bonjour » !
Mahalala fomba tokoa ny Malagasy, satria, hainy ny maka tahaka ny fanaon’ny vahiny. Fihetsika, fiteny, fitafy, fisainana, filamatra, sns, fombam-bazaha no omena vahana ao anatin’ny fiarahamonina malagasy. Navela ho fotsy rora miteny ny ray aman-dreny. Aterina any amin’ny fitaizana beantitra. Tsy nokapohina ny zaza fa « tenenina fotsiny, hono, satria manan-jo haneho ny heviny amin’ny alalan’ny fihetsika izy ireny ». Na efa hita an-karihary izao aza fa ditra no ataony… Satria, izay ny fombam-bazaha !

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: