Tsy nihetsika ny laharan’ny Barea de Madagascar tao amin’ny FIFA. Ny volana novambra ho avy izao, hiatrika ny fifanintsanana hiadiana ny tapakila ny “Mondial 2026” ny ekipa nasionaly malagasy.
Taorian’ny lalao ara-pirahalahiana nataon’ny FIFA, ny 9-17 oktobra lasa teo. Tsy niova teo amin’ny faha-108 ny laharan’ny ekipam-pirenena malagasy Barea de Madagascar, raha ny vaovao nivoaka tao anaty tambajotran-tserasera, omaly. Araka izany, tsy nitondra inona ho an’ny ekipa nasionaly malagasy ny fandresena nanoloana an’i Bénin, tamin’ny isa 2 no ho 1. Lalao natao ny 17 oktobra lasa teo. Tsiahivina fa ny volana jona lasa teo, teo amin’ny laharana faha-107 i Madagasikara. Rehefa nisesy ny faharesen’ny Barea tamin’ny andro nitondran’ilay frantsay teknisianina, Nicolas Dupuis, nidina faha-108 isika.
Ankoatra izay, hotanterahina any amin’ny kianjan’ny BABA YARA Kumasi Ghana, ny 17 novambra 2023, ny lalao mandroso izay hihaonan’ ny Barea de Madagascar sy ny Black Star Ghana. Mbola manala vela ny ekipam-pirenena malagasy, nomontsanin’i Ghana tamin’ny isa 3 no ho 0, nandritra ny andro voalohany ny fifanintsanana hiatrehana ny “Can 2024”.
Tsara ny mampahafantatra fa ao amin’ny vondrona “I” no misy ny ekipa nasionaly malagasy. Miady lohany aminy ao, i Ghana, i Tchad, Comores, Republique Centrafrique, Mali.
Marihina fa Rakotondrabe Romuald Felix na i Coach Rôrô no Malagasy mpanazatra ny Barea. Ny filohan’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), Randriamanampisoa Alfred, manana tanjona ny hiatrehan’ny Malagasy ny “Mondial 2026”, izay hatao any Etats-Unis. Izay voalohany isam-bondrona no tafita avy hatrany amin’ity fifaninanana ity, raha toa ka manao lalao sakana izay faharoa mendrika indrindra.
Fitia Randria